Zahatany 19 Septembre 2020 |Zomba Sakalava du Sud Ouest et Ouest de Madagascar|

Madagascar

Zahatany 19 Septembre 2020 |Zomba Sakalava du Sud Ouest et Ouest de Madagascar|

ZAHATANY
940 abonnés
Zahatany 19 Septembre 2020 |Zomba Sakalava du Sud Ouest et Ouest de Madagascar|

Betsaka ny Zomba eto Madagasikara, samy manana ny hasiny avokoa izy ireny ary araka ny voalaza ato anaty fanadihadiana dia « nitazona ny tsy ambara-telon’ny kolontsain’ny fifandimbiasam-pahefana » nisy teto Madagasikara hatramin’ny vanim-potoan’ny faha Mpanjaka izy ireny (?).

Tsy ny kolontsaina eto amintsika ihany no voatahiry ao anatin’ny Zomba fa ny vanim-potoana nifampikasohan’ny kolontsaina Malagasy tamin’ny kolontsaina vahiny hatramin’izay. Ireo fanaka avy any ivelany natao takalo teto amintsika ka mbola voatahiry ao anatiny no manamarina io.

Izany hoe, taman-jato taon’ny maro i Madagasikara no nanam-pifandraisana tamin’ny firenena isankarazany avy any ivelany, ka anjarantsika ny matozana ny soa sy manatsara ny lesoka amin’izany fifandraisana izany ankehitriny.

Tafiditra ao anatin’ny endrika vaovaon’izany fifandraisana izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ka anaovana ezaka etsy sy eroa hisintomana mpizahatany vahiny ho tonga eto Madagasikara. Eo indrindra hoy izahay no tsara itrandrahana ireny vakoka hita maso tahaka ny Zomba, mba hitazomana ny tantara sy hikoloana ny fomba amam-panaontsika izay saika misy karazany isam-paritra eto Madagasikara.

20 andro no nanaovana tournage ny fandaharana io, niainga avy eto Antananarivo, nidina tany Saint Augustin, nanaraka ny lalam-pirenena faha 9, nivoaka tao Mahabo, niverina teto Antananarivo izay vao nankany Marovoay sy Mahajanga.

Faniriana ny nandalo ireo toerana rehetra mbola misy Zomba Sakalva teo anelanelan’ireo toerana ireo fa noho ny enti-manana dia ireo aloha no vita.

Isaorana ny Association TERATANY tamin’ny fanampiana rehetra nahatontosanay ny fanadihadiana, tsy vita iny raha tsy nisy faharesen-dahatra avy aminareo mpikambana ao.

Manantena izahay fa handraisanao zava-baovao indray ity Zahatany ity ka raha misy ady hevitra tiana hatao dia ataovy eo amin’ny « commentaire »

« Œuvrons ensemble pour développer le tourisme à Madagascar »🇲🇬️
🇲🇬️
Musique utilisée dans cette vidéo
En savoir plus
Titre
Noonday Sun
Artiste
Deep Forest
Writers
Michel Sanchez, Éric Mouquet
Concédé sous licence à YouTube par
SME (au nom de Sony Music Entertainment); Sony ATV Publishing, LatinAutor – SonyATV, SODRAC, União Brasileira de Compositores, LatinAutor, LatinAutorPerf, BMG Rights Management (US), LLC, BMI – Broadcast Music Inc., UNIAO BRASILEIRA DE EDITORAS DE MUSICA – UBEM, CMRRA, Abramus Digital et 4 sociétés de gestion des droits musicaux